ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nisy fiaramanidina nianjera tao Texas

Tsy lavitr’i Houston no nianjera ity fiaramanidina ity ny 19 oktobra teo manodidina ny 10 ora maraina. McDonnell Douglas no namory ny fiaramanidina ary nitondra olona 21 izy. Teo ampiaingana mihitsy no nianjera ity fiaramanidina ity raha ny fanazavana, nandona fefy izy hoy ny mpandindra ny sidina américain régulateur américain (FAA).Tsy kosa ny aina nahafoy tamin’ity loza ity hoy ny sergent Stephen Woodard ao Texas, tafavoaka ara-potoana ireo olona tao anatin’ny fiaramanidina ireo raha ny fanazavany. Nirehitra ity fiaramanidina ity ary nanano sarotra ny fmehezana ny afo saingy tsara fiafara ny tranga hoy ireo tompon’andraikitra.https://www.youtube.com/watch?v=QB8VZldjqiE

Laisser un commentaire