ActualitésTatitra

Allemagne : Malaza ratsy ny orinasa Lidl

Tranom-barotra Allemand lehibe niorina tamin’ny taona 1930 ny Lidl. Ny mpandraharaha Josef Schwarz no nanangana azy ary nodimbiasin’ny zanany Dieter Schwarz izy taty aoriana. Mivelatra amina firenena 20 ao Europe ny Lidl ankehitriny ary efa mizara tranom-barotra 11 463 izy, ny 3 277 amin’izany ao Allemagne ary ny 1 628 ao France.Malaza ratsy amin’ny fomba fitantanany ny mpiasany kosa ity orinasa ity. Tamin’ny martsa 2008 fotsiny izao dia nalaza fa nitsikilo ny mpiasany tamin’ny alalan’ny mpitsongo-dia sy fakan-tsary ary fandraisam-peo tsy ara-dalàna ireo mpitantana ny tranom-barotra. Nandroaka mpiasa noho ny hadisoana lehibe ihany koa izy taona 2014 nefa vatomamina 0, 39 Euro no nalain’ilay mpiasa hoy ny tribonaly tao Nancy. Nisy namono-tena tao amin’ny toeram-piasany ihany koa ny mpiasany ny volana jona 2015.Mbola lava ny lisitry ny tranga niseho tao amin’ny Lidl, ary ny ratsy no maro amin’ireo. Na izany aza anisan’ireo orinasa matanjaka ny Lidl.

Laisser un commentaire