Etats-Unis : Efa azo fandrihana ny vata fampangatsiahana kelin’ny Microsoft
Orinasa matanjaka i Microsoft, mitady zava-baovao hatrany hiroboroboana izy. Rehefa namoaka ny « Xbox Series X » izy dia maro be ireo nilaza fa niendrika vata fampangatsiahana kely izany na « mini-frigo ». Tonga tany ampoto-tsofin’ireo injenioran’ny Microsoft izany ka namorona vata fampangatsiahana kely miendrika « Xbox Series X » tokoa izy ireo.Hivoaka ny volana desambra izao ity vata fampangatsiahana kely ity raha ny fanazavana ary efa azo nofandrihana nanomboka ny 19 oktobra teo. Mahazaka 10 litatra izy ary honina « canette » am-polony. Misy « port USB » ihany koa izy ary azo hatsatoka amin’ny « prise » famelomana sigara amin’ny fiara.https://www.youtube.com/watch?v=MnIiRygj-nY
