Tanora tsy an’asa : Tsara raha mirona amin’ny famoronana asa
Isan’ny olana sedrain’ny tanora amin’izao ny tsy fisian’ny asa. Na dia ao aza ireo ambaratongam-pitantanana misahana ny fananan’asa dia mbola sakana iray tsy handrosoan’ny tanora ny tsy fahampian’izany. Misy aza ireo manam-pahaizana kanefa sahirana amin’ny fitadiavana asa amin’izao na ihany koa tsy mifanaraka amin’ny diplaomany ny asa azony. Inona no vahaolana ?
« Efa ho herintaona aho izao no nahazo ny mari-pahaizana lisansa kanefa hatramin’izao mbola tsy mahita asa foana, asa mba tiako sy mifanaraka amin’ny mari-pahaizako » hoy i Tanjona, nahavita fianarana toe-karena teny amin’ny anjerimanontolo. « Efa zary mitsatoka ao an-tsain’ny tanora amin’izao ny hoe hiasa amin’ny orinasa iray ka handray karama isam-bolana, hany ka tsy ao an-tsainy mihitsy ny mba hiasa tena sy hanangana orinasa ho an’ny tena manokana » hoy i Gilbert, mpampianatra.
« Ny sehatrin’ny fandraharahana no tena vahaolana ho an’ny tsy fananan’asa mba hiakaran’ny toe-karenan’i Madagasikara » hoy i Toky, tanora mpandraharaha. Isan’ny vahaolana mety ho an’ny tanora manoloana ny tsy fananan’asa tokoa ny famoronana asa ho an’ny tena fa tsy sanatria miandry tolotr’asa foana. Tsara raha mifantoka kokoa amin’ny toe-tsainana mpandraharaha ny tanora mba hananany asa izay miainga amin’ny fahaizany sy ny zava-misy eo aminy.
Nicole Rafalimananjara
