Reid Hoffman : Ny fakanao olona iray ho fitaratra no fomba haingana indrindra hiovanao
Eo amin’ny fiainan’ny olombelona tsirairay avy, tsy maintsy misy foana ny lesoka. Tsy tonga lafatra avokoa isika tsirairay avy fa samy manana ny fahalemeny. Azontsika atao anefa, ny miezaka hatrany hanome ny tsaratsara kokoa ary afaka miova sy mivoatra hatrany isika. Fanampiana lehibe ho an’ny tenanao no vokatra aterak’izany ary tena ahalasa lavitra tokoa.Fomba haingana indrindra mety hampiova anao ny fankafizanao ny olona eo amin’ny toerana iray izay hirianao. Vokatr’izany mantsy, afaka hirosoanao sy dinihinao lalindalina kokoa ny zavatra ataony mba ho fianarana sahady ho anao. Tsy ho sarotra aminao intsony arak’izany ny hianatra sy hanatanteraka ireo asa rehetra hirianao atao satria efa nahazo torolàlana ianao. Ny fananana toe-tsaina tia karokaroka ihany koa no anisan’ny hahalasa lavitra ny olona anankiray. »Tiako loatra ny fomba fihiran’i Niu Raza ka nahatonga ahy hazoto hanao cover matetika mba hianarana ny feony. Faly aho ankehitriny fa efa manomboka haiko izany » hoy i Sarobidy, tanora. « Tsy mamisavisa olona iray izany aho fa tonga dia izaho mihitsy no nofinofisiko eo amin’ilay toerana tiko ahatongavana » hoy kosa i Manda, tanora ihany koa.Milaza kosa anefa i Reid Hoffman, mpiara-manorina ny LinkedIn fa « ny fomba haingana indrindra hampiova anao dia ny fiarahanao amin’ireo olona efa maneho izay tianao atao ». Tsy ho sarotra aminao intsony arak’izany ny hisehatra amina toerana iray izay nofinofisinao kanefa tsy mbola fantatrao mazava.Tokony hanana saina tia karokaroka sy mahataka-davitra ny tsirairay raha te hiova sy hanana faniriana. Kanefa maro amintsika no mbola mampanjaka tanteraka ny fialonana ao anaty ka tsy mba mandray ho ohatra ny olona iray efa maneho ny tanjona tiana ho tratrarina. Manoloana izany, mety ho maro ve ireo daholobe handray ohatra sy hanao filamatra ny olona iray efa maneho sahady ny faniriany?
Miangaly Rasoamihajamanana
