SocialTsidika

Ambohibato Ambohimanambola : Mitohy ny fanamboarana sy ny fikojakojana ny lalana

Mizotra ankehitriny ny fanamboaran-dalana ao amin’ny Fokontany Ambohibato, ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola. Manentana ny olona hanaja ny lalana, izay isan’ny fomba hisokafan’ny fampandrosoana, ny tompon’andraikitra any an-toerana.

« Raha izaho irery no te handroso dia zava-poana ihany, fa isika rehetra no miara-mandroso mba hampandrosoana ny tanànantsika. Mila fokolokoloina ny asa satria isika vahoaka ihany no hampiasa azy ary miankina amintsika noho izany ny fampandrosoana » hoy ny Ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Tsara tokoa ny ezaka tahaka izao satria efa ela no nitaraina ny teto amin’ny Fokontany ny mba hanamboarana ny lalana, ary reherehan’ny Fokontany ny fahatsaran’ny lalana » hoy ny Sefom-pokontany ao Ambohibato. « Mankasitraka amin’ny ezaka sy fanaovana asa ho an’ny vahoaka tahaka izao, zava-dehibe tokoa ny lalana izay ifampitohizan’ny fampandrosoana amin’ny samy Fokontany eto Ambohimanambola » hoy i Clara, mponina ao Ambohibato. Tanàna madio sy milamina ary hanjakan’ny filaminana no tanjona iraisana, mbola ao anatin’ny ady hanarenana ny firenena manko isika amin’izao. Raha samy manao ny ezaka manandrify azy ny tsirairay dia tsy ho ela dia ho tafavoaka ao amin’ny lavaky ny fahantrana isika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire