Italie : Tànana foana ao Italie i Craco
Tànana vitsy mpoinina indrindra ao Italie i Craco. Ao Matera, ao amin’ny faritin’i Basilicate no misy azy. 1 000 monja ny mponina ao an-toerana. Efa voasokajy ho ho tànana foana na « ville fantôme » izy. Ny toe-tany sy ny loza mety ateraky ny toerana no naha tany foana azy. Ny taona 1975 ireo mponina tao an-toerana no nanapa-kevitra ny hiàla avokoa noho ny fisiana fihotsahan-tany niverimbrerina.Toeram-pizahantany sisa i Craco ankehitriny, ary toerana fanodinana horonantsary ihany koa. Anisan’izany ny horonantsary « La Louve de Calabre » (1953) nosoratan’i Alberto Lattuada, « Le Christ s’est arrêté à Eboli » (1979) an’i Francesco Rosi, « Le Roi David » (1985) an’i Bruce Beresford, « Saving Grace » (1985) an’i Robert M. Young sns.
