Inona avy no atao raha te ho lasa mpandraharaha ?
Lazaina sy averina ombieny ombieny fa tsara ny mandraharaha, saingy tsy mora akory ny mandraharaha sy manangana orinasa ho an’ny tena manokana izany. Sarotra, nefa azo atao tsara, ny fandraharahana.Te ho lasa mpandraharaha ianao kanefa tsy hainao izay hanombohana azy ? Tsy misy tokony atahorana izany satria tsy ianao irery akory no tratran’izay. Samihafa ny hevitra nanosika ny tsirairay hisehatra ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana satria tao ny niainga tamin’ny aingam-panahy tsotra izao. Ilaina ny mahalala ny laharam-pahamehana alohan’ny hanaganana ny orinasan’ny tena manokana.Voalohany, mitadiava hevitra hafa ka afaka manontany ny manodidina ny amin’izay fanovana entina hanatsorana ny fiainana ka sady mahaliana ny olona ilay izy no hitondra voka-tsoa eo amin’ny fiainany. Faharoa manarak’izany, homano sahady ny hoavy, tadidio fa maro ihany koa ny hafa tsy hitsahatra hitady zava-baovao ka kendreo ho sady ilain’ny olona amin’ny hoavy ilay ho atao. Aza misalasala manontany hatrany ny hevitry ny hafa satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Fahatelo, ampiasao ny aterineto mba ahafahana mijery izay efa nisy sy izay eritreretin’ny hafa ho atao ary tsy iny intsony no arahinao avy eo fa afaka manangana ny paikanao manokana. Fahefatra, miezaha manao ny tsara kokoa hatrany, tsy ny zava-baovao ihany akory no ilaina rehefa handraharaha fa eo ihany koa ny fanaovana vokatra efa nisy fa amabny kokoa ny vidiny na tsara kokoa ny kalitaony. Ity no tena mety kokoa satria mora ny mahita mpanjifa raha tsara mihoatrin’ny an’ny hafa ny zavatra ataonao. Manaova tombana isan’andro ahitana ny fanatsarana tokony ho atao. Fahadimy, Mifantoha amin’ny zavatra malaza kanefa tsy mbola be mpitrandraka, jereo tsara ny tombony isaky ny vokatra, ny fonony sy ny tsirony raha sakafo ilay izy. Koa satria ny mpanjifa no tena tadiavina dia inona ny olana raha manontany ny fomba fahitany ilay vokatra ? Iny no hitondrana fanatsarana avy eo. Fahafito, mifantoha amin’ireo vokatra be mpitady sy ilain’ny olona matetika toy ny sakafo izao izya tsy vitsy ny mandraharaha amin’izay ka ao ireo mitady hevitra vaovao isan’andro. Fahavalo, mifandraisa amin’ny mpandraharaha hafa namana, tsy hoe akory haka ny heviny fa hanome hevitra vaovao ao aminao ny fifandraisana amin’izy ireny.Tsy misy manana ny ampy fa kosa sambatra izay mifanampy. Sehatra tsara sy azo idirana ny fandraharahana, ary ny tanora no tena tokony hiditra bebe kokoa ao amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
