ActualitésTsidika

Tsy mora kivy fa mitraka hatrany ny olona manana herin-tsaina

Na manao ahoana toerana misy anao amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, na inona olana sedrainao, ny herin-tsaina no hany vahaolana entina handresena izany. Miseho amin’ny endrika maro mantsy ny fahalavoana sy ny tsy fahombiazana ka mety ahakivy tanteraka antsika indraindray. Vokatr’izany, tsy te-hiharina intsony isika ary manary toky mihitsy aza.

Menomenona, latsa, teny mandratra maro no hany mba azo raha sanatria tonga tamin’ny tsy fahombiazana na fahalavoana ny olona iray. Kanefa, karazan’olona manao ahoana no tsy ho tojo an’izany ? Moa ve mitondra marika eny amin’ny tavany ireo olona mora lavo matetika ? Noho izany, ny faherezana, ny herim-po sy ny herin-tsaina no mila hangonina raha te-handroso sy ho tafita eo amin’ny fiainana. Tsy misy olona tsy mbola lavo sy mahomby foana izany eo amin’ny zavatra ataony. Tsy maintsy mandalo ady mafy sy sedram-piainana foana vao tafita. Tsy tokony atao ahakivy sy ahaketraka anao arak’izany izay latsa sy teny marary ataon’ny hafa satria fomban’izy ireo ihany izany. Ny feon’ny fieritreretanao henoina fa iny no hanampy bebe kokoa anao eo amin’ny zavatra izay ataonao.

« Olona iza tokoa moa no tsy ho kivy raha sendra tsy fahombiazana saingy mila mitraka hatrany mba ahatratrarana ny tanjona efa napetraka » hoy i Soa, ray aman-dreny. « Tsy aminareo tokoa mantsy ny toerana dia vitanareo ny miteny hoe mitrakà fa aza mitanondrika. Efa resy aho ankehitriny ka manaiky izany fandaharana izany, aleoko mipetraka tsara amin’izay » hoy kosa i Sarah, mpianatra tranainy eny amin’ny anjery manontolo.

Zavatra maro tokoa no mbola manampy ny alahelo sy ny ratram-pontsika tsirairay avy rehefa tojo ny tahak’izany isika. Saingy ataovy fitaovana entinao mitraka indray izany. Araka ny tenin’i David Brinkley, mpanao gazety ao amin’ny fahitalavitra NBC sy ABC « ny olona mahomby dia afaka mametraka fototra mafy amin’ny biriky izay natsipin’ny sasany teo amboniny ».

Angony ny herim-ponao manontolo manoloana izany ary aza manaiky milefitra mora foana izany. Saingy amin’ny maha olombelona dia sarotra ny hanatanteraka an’izany fa vitanao foana rehefa ao aminao ilay tanjona ny ho tafita. Raha izay ary, tokony ho voajanahary ao anatintsika ve ilay herin-tsaina tokony hananana aorian’ny faharesena ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire