ActualitésTatitra

Cameroun : Nifanehitra ny sakaiza sivin’ilay lehilahy

Manana olon-tiana 9 i Martin T. hoy ireo nanatri-maso ny zava-nisy. Mpiray vodirindrina aminy avokoa ireo vehivavy 8 ireo ary tompon-tranony ny fahasiviny raha ny fanazavana. Tonga tao aminy ny iray tamin’ireo, ary nifanehitra tamina vehivavy iray hafa niaraka taminy ihany koa, niady izy roa vavy ka nanaitra ny manodidina ary nahafantatra niaraka tamin’izay ireo vehivavy enina hafa ka niditra an-tsehatra ihany koa. Tonga tampoka ihany koa ny tompon-trano raha ny fanazavana ka nanampy isa ny mpiady; Tao amin’i Douala IV tao amin’ny tànana kelin’i Bonabéri no niseho ny tranga. « Bagarre du siècle » hoy ny loharano.

Laisser un commentaire