SocialTatitra

Equateur : Iza moa i Leo Rojas ?

Mpitsoka sodina antsoina hoe « flûte de Pan » manana ny lazany i Leo Rojas. Juan Leonardo Santillia Rojas no tena anarany teraka ny 18 oktobra 1984 tao Cuenca ao Equateur izy. Nandray anjara ary nandresy tamin’ny fifaninana « incroyable talent » andiany fahadimy tao allemagne ny tenany.Anisan’ireo « amérindien » farany i Leo Rojas. Antony mahatonga ny mozikany lalindalina kokoa raha ny fanazavana. Mponina tao Amérique talohan’ny fanjanahantany ny « amérindien ». Mafonja ny mozika « amérindien », mampiditra amin’ny tontolon’ny fanahy sy ny singa efatra fototra izy hoy Leo Rojas. Marihina fa tsy azo ampiasaina zava-maneno vy ny mozika « amérindien ».https://www.youtube.com/watch?v=uOIHHMnI_Ig

Laisser un commentaire