SocialTsidika

Kodiaran-droa iray no niharan-doza mahatsiravina tao Antsoantany

Moto iray no tratran’ny lozam-pifamoivoizana ny marainan’ny 10 oktobra 2021 lasa teo, tao amin’ny kaominina Antsoantany, distrika Antsirabe II (RN7). Fahatairana avy amin’ny zotra resionaly iray no tena nihavian’ny loza. Vokatr’izany, naratra mafy izy mianaka ka efa noraisina an-tànana ny fitsaboana azy ireo.

Fiara mpitatitra iray no nipoitra tampoka avy tamin’ny lalan-kely ka nentim-pahatairana izy ireo ary nikorisa tamin’ny arabe. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy saingy naratra mafy ireto olona mianaka ireto ary zaza vao 5 taona monja no noentin’ilay rangaha tamin’ny moto. Samy nahavoaray hafatra tamin’ireo tompon’andraikitra noho izany ireto mpamily roa ireto ary efa nandraisana fepetra. Ho an’ny mpitondra moto manokana ohatra, mahavoasazy ary tsy azo atao ny mitondra zaza latsaky ny 5 taona amin’ny moto. Tokony hanao aroloha ary hanao akanjo feno tsara avoko n any mpitondra nan ny olona entina. Ho an’ny mpitondra fiara kosa indray, tsy natao ho azy ireo irery ny làlana ka tokony hijery tsara izy ireo vao hamily ny fiara. Tokony ampiasa mpamily mpanampy hatrany koa izy ireo rehefa hivoaka amin’ny lalan-dehibe tahaka itony.

« Ilay fiara tsy nijery mihitsy fa tonga de nipoitra tampoka avy any fotsiny » hoy i Rojo, olona nanatri-maso. « Samy tokony hijery daholo aloha izy roa e ! Na ilay mpitondra moto ary tokony ho mailo foana fa ny tampoka tsy maha lehilahy » hoy kosa i Cédric, olona nanatri-maso ihany koa. Mila hajaina hatrany kosa anefa ireo toro-làlana efa napetraky ny tompon’andraikitra mba hampirindra tsar any lafin’ny fifamoivoizana eny an-dalambe.

« Ny tampoka tokoa tsy maha lehilahy » hoy ny fitenintsika Malagasy ary ny loza tsy mampandre izany rehefa ho avy. Noho izany, ny olona tsirairay avy eny an-dalambe no tokony ho mailo hatrany; na ny mpandeha izany na ny mpamily rehetra tsy an-kanavaka. Kanefa, tokony hanara-dàlana avoko ireo mpamily rehetra rehefa mampiasa ny làlana mba tsy hitrangan’ny zavatra tahaka izao. Efa tsy ao anatin’ny sain’ireo mpitondra fiara sy moto intsony ve ireo fitsipika mifehy azy sa hodiany tsy hita ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire