Misedra olana ny orinasa Fanalamanga ankehitriny
Misedra olana efa an-taonany maro ny Orinasa Fanalamanga, izay vondrona miankina amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Olana voalohany atrehin’ny orinasa ny tsy fahafahany mitrandraka ny velaran-tany 200 000 ha ananany. »Ny 80 000 ha ihany no mbola voatrandraka hatreto ka mahatonga ny fidiram-bola ho kely satria angalarin’olon-tsotra ihany koa ny tanin’ny orinasa izay tombanana eo amin’ny 20 000 ha ny tany voasoratra amin’olon-tsotra » hoy ny avy ao amin’ny orinasa Fanalamanga. « Tsy maintsy ho vahana avokoa izany olana izany satria zava-dehibe eto amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny tontolo iainana lovainjafy ity orinasa ity » hoy i Baomiavotse Vahinala Raharinirina, Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Nandeha teny ifotony ny Ministera niaraka tamin’i Masiovohon’i Suisse teo Madagasikara, Chasper Sarott sy ny Tale Jeneralin’ny « Les Scieries du Betsileo » ary ny tompon’andraiki-panjakana sy olom-boafidy ao Alaotra Mangoro. « Mila harenina ny orinasa Fanalamanga ka nanao izay vita izahay toy ny fizarana fahaizana mikasika ny fitantanana sy ny fitrandrahana ny ala » hoy ny Masoivohon’i Suisse.Dingana manaraka ny fikarakarana fifampizarana traikefa eo amin’ny Fanalamanga sy ny « Les Scieries du Betsileo ». Entina anatrehan’ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny paikady enti-manarina ny orinasa Fanalamanga. Inona no vahaolana mahomby ho an’ity orinasa ity ?
Nicole Rafalimananjara
