ActualitésTatitra

Mozambique : Famatsiana ara-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena noho ny fanenana ny fandefasana entona CO2

Firenena voalohany nisikatra ny famatsiana ara-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena entina hanenana ny fandefasana ny entona CO2 hialana amin’ny fandripahana ala ny Mozambique. Maherin’ny 5 tapitrisa euros (22 000 tapitrisa Ar) no novatsiana ho takalon’ny findramana carbone tao aorian’ny fandrefesana azy ny taona 2019.Fantatra mantsy fa ala dia tena mitana anjara asa hiarovana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro noho izy mitroka ireo CO2. Manantena noho izany ny Banky iraisam-pirenena fa hampavitrika azy ireo hiroso amin’ny fiarovana ny ala hatrany ity famatsiana vaovao ity.

Laisser un commentaire