Ilaina tokoa ve ireo omby vavy be ronono nafarana ireo ?
Tonga teny Ivato ny 5 oktobra teo ireo ombivavy nafaran’ny fitondram-panjakana izay ho entina hampitomboina ny fihariana omby vavy be ronono eto Madagasikara. Fiompiana manara-penitra sy famokaranana ronono avo lenta no tena tetika amin’izy ireto. Fa tsy misy omby ve ny eto Madagasikara no nanafatra ? “Mbola andiany voalohany aloha ireto tonga ireto izay miisa 165 ho entina hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara arak any tetik’asan’ny filoha” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Nahoana no tsy ireo orinasa efa mpamokatra vokatra avy amin’ny ronono no atosika fa manangana hafa indray ? “Iza no hisitraka ireto omby vavy ireto sa ny fanjakana ihany no hikarakara azy sa ny vahiny no hanodina ny vokatra fa isika no hanafatra ? ” hoy i Andrianjafy, tanora manohy ny fiofanana mikasika ny fiompiana eny amin’ny anjerimanontolo. “Ny orinasa TIKO izay isan’ny sangany amin’ny famokarana ronono tsy mba omena tosika ho lasa lavitra hitondra avo ny firenena fa vao maika finganina aza, izao any ivelany mihitsy no andeha hanafatra omby vavy, tena tsy nisy tao anatin’ny 60 taona kosa aloha izany nanafatra omby izany” hoy i Lanto, mpamakafaka ny raharaham-pirenena. Hamaha ny olana eo amin’ny fihariana tokoa ve izao fanafarana omby vavy izao ? Maro ny mpiompy omby eto amintsika saingy tsy nisy fanohanana hatramin’izay kanefa izao lazaina fa tsy misokatra ny fihariana omby vavy be ronono ka tsy maintsy manafatra isika ? Mizotra makaiza ilay fandrosoana dradradraina ?
Nicole Rafalimananjara
