ActualitésTatitra

France : Iza tokoa no misafidy ny anaran’ireny « opération militaire » ireny ?

Omena anarana foana ny « operation » ataon’ny tafika rehefa miady ivelan’ny fireneny izy, « nom de code » no iantson’izy ireo azy. Ohatra ny « Serval » tao Mali tamin’ny taona 2013 na ny « Chammal » tao Irak tamin’ny taona 2014. Ny filoham-pirenena no mametraka ireo anarana ireo. Mbola hivoriany sy hifampidianay miaraka amin’ny ivotoerana mpandrindra sy ny mpitarika kosa nefa izany ary miankina amin’ny etamazoro.Misy heviny manokana io anarana io raha ao France na dia ao amin’ny Internet aza no akàna azy matetika. Misy hifandraisany amin’ny tantara na ny mampiavaka ny toerana alehan’ny tafika io anarana omena io. Ny tao Centrafrique izao dia nampitondraina ny anarana hoe « opération Sangaris » izay anarana lolo ao an-toerana noho izy ahitana lolo maro be. Biby tao Mali kosa ny « Serval » ary fitsokan’ny rivotra ao Irak ny « Chammal.

Laisser un commentaire