ActualitésTsidika

70% amin’ny mizanan-kena no tsy ara-dalàna tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka

Tao aorian’ny fahavitan’ny fitsarana mizana nataon’ny fitaleovam-paritry ny varotra sy ny fanjifana Alaotra Mangoro dia mbola maro ny fitarainana voaray momba ny tsy fahamarinan-danjan’ny entana vidin’ny mpanjifa tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka.

Ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa dia nanao fisafona tampoka ireo mizana ampiasain’ny mpivaro-kena ny tompon’andraikitra sy ny polisim-pirenena tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo.

« Mizana miisa 38 no nanaovana fitilina tamin’izany ka ny 70 isan-jato no hita fa tsy ara-dalàna, tsikaritra tamin’ny fitsirihina natao fa misy ny mizana sasany no asiana bolao madinika mba hampihena ny lanjan’ny entana vidian’ny mpanjifa, mazava ho azy fa halatra izao ataon’ny ankamaroan’ny mpivaro-kena ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka izao » hoy ny tompon’andraikitry ao amin’ny polisim-pirenena ao an-toerana.

« Tsy ny mpivaro-kena ihany fa amin’ny lafiny rehetra mhintsy no ahitàna fanararaotana toy izany, na ny fanaovana raharaha any amin’ireny biraom-panjakana ireny aza dia ahitana tsolotra sy kolikoly maro. Ny eo amin’ny sehatry ny varotra no mahavita manara-maso sy mandeha ifotony fa misy minisitera tsy mba mijery akaiky ny asa tokony ho sahaniny mihitsy. Ny iraka na solon-tenany matetika tsy miasa saina ny amin’izany » hoy i Bakoly, mponina ao Ambatondrazaka.

« Namboarina avy hatrany moa ireo mizana tsy ara-dalàna ireo ka naverina tany amin’ny tompony miaraka tamin’ny fanamarinam-pitsarana izay tsy maintsy apetraka eo anoloan’ny mizana. Tokony hanaja ny fahamarinan-danja ny mpivarotra mba ho fanajana ny mpanjifa satria halatra izany ary sazian’ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena. Marihina fa ny mpivaro-kena no nanombohana ny fisafoana fa mbola hitohy ny fitsirihina tampoka ataon’ny tompon’andraikitra » raha ny fanazavana nentin’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Alaotra Mangoro, Ramindo Judicaël.

Nilaza ny mpamakafaka ara-toekarena iray fa « na efa miezaka manao ny asany ny minisitera isan-tsokajiny dia ilaina koa ireo vahoaka mba hanana fahasahiana ka hitory na hitaraina raha sendra mahita trangàna kolikoly na tsy an-drariny, tsy ny varotra ihany fa amin’ny sehatra rehetra mihitsy, ny fanarenana amin’ny lafiny rehetra koa no mila atao avoavo lenta mba hampihena ny mpanao ratsy ».

Ho foana tsikelikely ny fanambakàna ny mpanjifa raha mitohy izao hetsika izao, ary tsy hisy intsony ny mizana mitongilana fa handanja marina amin’ny fatrany tena izy ny mpivarotra, na ny eto andrenivohitra koa aza dia mbola mila hamafisina ny toy izany.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire