Etats-Unis : Astronome iray namisavisa ny isan’ny kitana
Tsy voafaritra ny isan’ny kintana raha ny tokony ho izy saingy nanambara ny lehilahy astronome iray antsoina hoe Brian Jackson, avy ao amin’ny oniversiten’ny fanjakan’i Boise ao Etats-Unis fa azo visavisaina izany. « Jereo ny lanitra dia hahita kintana maro be ianao, eo amin’ny 6 000 eo, saingy ampahany fotsiny ireo hitanao ireo satria mbola misy any fa lavitra loatra ka tsy tazan’ny maso’ hoy izy. Nilaza izy fa misy kintana 200 000 000 000 000 000 000 000 isa eto amin’izao tontolo izao. Mba nahazoany io isa io hoy izy dia nanisa ny « galaxie » eto amin’izao tontolo izao aloha izy ka nahita tamin’ny alalan’ny sary fa miisa 2 000 000 000 000 izany.
