Tontolo iainana : Velarana maitso ao Erakoke maroalimainty
Ny alakamisy 30 septambra lasa teo no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa velarana maitso na ny « ceinture verte » tao Erakoke maroalimainty. Tetikasa izay mikendry ny hanonitra ny fahasimban’ny tontolo iainana, indrindra fa ny hain-tany eto Madagasikara, sy hanarina ny fambolena ho an’ny faritra atsimo. Ity tetikasa ity dia mitentina 26 tapitrisa dolara izay hampiasaina hananganana velarana maitso amin’ny velaran-tany mirefy 18 334 Ha izay dongom-pasika Ahiana hanototra ny toeram-pambolena any atsimo vokatry ny rivotra izay mamindra azy ireo. Haharitra dimy taona izany tetikasa izany.
Olana anisan’ny miteraka ny hain-tany eto amintsika koa ny fitrandrahana tafahoatra ny harena an-kibon’ny tany izay ataon’ny orinasa tsy miankina any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Mila fankatoavana avy amin’ny ministera anefa ireny tetikasa ireny vao afaka atomboka
Nilaza ny ministeran’ny tontolo iainana fa tsy atao ambanin-javatra ny ady amin’ny hain-tany any atsimo. Hoy i Nico, mpisehatra amin’ny fambolena any Erakoke maroalimainty, « ny fasika izay sisa navelan’ny hain-tany ety aminay dia entin’ny rivotra ka manototra ny tany ambolena, efa nisy ny tetikasa toy izao teto aminay fa tsy naharitra, irariana mba haharitra ity tetikasa ity ».
Anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana lovain-jafy ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Fanomezana ny zo hisitraka tontolo iainana madio ihany koa izany ary miantraika hatrany amin’ny sakafon’ny olom-belona. Ilaina ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra toy izao manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana.
Aurélien Tsitarihina
