Mirongatra indray ny fangalarana fiara eto Antananarivo
Mitaraina ireo mpampanofa fiara ankehitriny noho ny firongatry ny fangalarana fiara. Fiara miisa roa no nisy nangalatra tamin’ny fomba izay tsy dia mahazatra loatra nandritra ity herinandro ity. Malalaka ny safidy ho an’ireo mpanofa fiara hany ka mitsiry vokatr’izany ny fanirin-dratsin’izy ireo.Raha tsihahivina, efa nisy ny aina nafohy manoloana ity fanofana fiara ity, raim-pianakaviana iray no maty novonoin’ireo olon-dratsy ary lasan’izy ireo kosa ny fiara. Mpandraharaha roa no tandindomin-doza manoloana izany, ny mpamily ny fiara sy ireo mpampanofa fiara. »Loza mitataho ho anay mpamily ny fiverenan’izao asa ratsy izao indray, tsy vitan’ny mangalatra ny fiara fotsiny izy ireny fa manono mahafaty anay mpamily mihitsy, indrindra rehefa manohitra izahay » hoy i Fidy, mpamily fiara. « Kara-panondro sandoka no anaovan’ireo mpangalatra sonia ny taratasy fifanarahana. Eo ihany ko ny fangatahan’izy ireo amin’ny tsy hisian’ny mpamily manaraka ny fiara, ambaran’izy ireo fa mahay mamily fiara ka tsy mila mpamily intsony » hoy i Tambintsoa, mpampanofa fiara. »Efa andalam-panaovana ny fanadihadihana izahay manam-pahefana ankehitriny, efa miparitaka manerana ny biraon’ny polisy ny laharan’ireo fiara nisy nangalatra » hoy ny polisy misahana ny fanadihadihana. Takiana ny hanamafisana ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara, indrindra ny eto ampovoan-tany. Entanina ihany koa ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity ho malina hatrany, tsy miseho amin’ny endrika ivelany ny ratsy. Mbola tsy tokony hahazo alàlana hiasa eto madagasikara izay fanofana fiara izany, iarahamahalala ny tsy fandriam-pahalemana izay mirongatra andro aman’aline eto amintsika. Ny mpangalatra ve no efa matihanina sa ireo tompon’ny fiara no manao tandrevaka ?
Haingotiana Andriamihaja
