ActualitésTsidika

Alasora : Ho avy tsy ho ela ny « tournoi du maire 2021 »

Mirakaraka fifaninana amin’ny lalao taranja « Basket Ball » ny ben’ny tanàn’ny Kaominina Alasora. Ny alahady 3 oktobra izao no hanatanterahana ny lalao « tournoi du maire 2021″ manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. »Fanokafana amin’ny fomba ofisialy io amin’ny alahady 3 oktobra io ary ny BCR Ambatomalaza no hifanandrina amin’ny Est Mahazoarivo no hanokatra ny lalao ho an’ny sokajy vehivavy raha ny BBA Alasora sy Miadana no manaraka azy avy eo amin’ny 2 ora sasany tolakandro ho an’ny sokajy lehilahy » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. »Mahafinaritra ny hetsika tahaka izao satria isan’ny mampiroborobo ny tanora amin’ny fanatanjahan-tena tiany ka sady manena ny tsy fandriam-pahalemana satria afaka miala voly ny rehetra » hoy i Albert, mponina ao Alasora. « Hetsika efa fanao isan-taona ny tahaka izao izay tena tsy andrinay tanora mihitsy ny hanaovana azy satria manome lanja ny fanatanjahan-tena amin’ilay tinay tokoa » hoy i Sahala, tanora vehivavy mpilalao basket Ball any Alasora. Isan’ny sehatra azo hampandrosoana ny tanora tokoa ny fanatanjan-tena izay tokony omen-danja tokoa mba hitondrana fampandrosoana. Taritina amin’ny alalan’ny sehatra mahaliana azy ny tanora dia mahatsiaro tena tsy ho voahilika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire