EPP Ambohibe : Mivonto noho ny felaka tehamaina ny takolak’ireo mpianatra
Ankizikely mpianatra tsy latsaky ny telo no nitaraina fa nitondra takaitra noho ny felaka tehamaina nataon’ny Talen’ny sekoly. Mpianatra vao amin’ny kilasy voalohany na « CP1″ no niharan’ny fivontosana ka ontsa tsy nahazaka ireo Ray aman-dReny ka izao mitaraina izao.Nisy fotoana nisy mpampianatra teto andrenivohitra efa notorian’ny Ray aman-dReny mihitsy fa namono mpianatra, toy ny zava-nitranaga teny Soavina Antsimondrano izao dia namoizàna ain’ny mpianatra mihitsy noho ny fanerena azy hanao taranja fanatanjahan-tena na efa niera aza. Misy ireo mpanabe tsy mandinika mihitsy amin’ny fanafaizàna ankizy, somary efa manahirana izany mikasin-tanana ankizy izany amin’izao ka aleo fehezina ihany. »Ankizy vao niditra nianatra ary tsy mbola mahalala tsara ny lalàna mifehy any am-pianarana akory no felahan’ity talen-tsekoly ny tehamaina rehefa tsy mifanaraka amin’ny sainy ny zavatra ataon’ireo ankizy, na mety ho maditra aza ny ankizy tsy tokony ho vonoina sy ampitondraina takaitra toy izao izy ireny satraia maharary anay ny zanakay ka rariny izay raha maneho fitarainana » hoy i Saholy, Ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-toerana. »Rehefa manomboka hanapa-kevitra hampiana-janaka dia mila ampoizina mialoha ihany ny tranga toy izao, na miteny mialoha amin’ny mpananbe koa ianao raha tsy azo kapohina ny zanakao, ary tsara ihany koa ny manadihady mialoha raha tratran’ny fivono tahaka izao ny zanakao ary miresaka mivantana amin’ilay talen-tsekoly » hoy kosa i Celestin Tompon’andraikitra ao amin’ny ZAP ao an-toerana. »Hanatanteraka fivoriana ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ato anatin’ity herinandro ity ary ao arinan’izay dia tsy maintsy hitady vahaolana hainga izy ireo ary handefa tatitra any amin’ny tompon’andraikitra ny fampianarana ao amin’ny Cisco Sambava » hoy ny Filohan’ny fikambanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao an-toerana.Nilaza kosa ny mpahay lalàna iray fa « voararan’ny lalàna ny fikasihan-tanana olona ka mapitondra takaitra ary mety hiharan’ny sazy izay manao izany ».Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana ka tsara foana rehefa maditra loatra ny ankizy dia ampiantsoana ny Ray aman-dReniny ary miara-mitady avahaolana avy eo, ny tsy fahaizan’ny ankizy koa dia tokony tsy hikapohana azy satria ny tsirairay tsy afaka hiditra any an-tsain’ny ankizy.
Lovasoa Tojonirina
