Alasora : Mirakitra tantara maro i Soanavela
Tafiditra ao anatin’ny iray ampahadimin’Alasora, izay toerana tsy dia lavitra an’i Antananarivo Renivohitra, ny vohitra Soanavela Anganomasina. i Andriampenjato no andriana voalohany nanorina ny vohitra teo Soanavela, ary Ikalo anabaviny kosa no nanorina ny vohitra teo Anganomasina. Izy ireo dia taranaka avy ao Alasora antampotanàna ihany. Maro ny lovatsofina mitantara ny niavin’ny anaran’ny vohitra.Ny voalohany dia nisy zanakandriana avy ao Alasora an-tampotanàna tonga teo amin’ny vohitra nitoeran’i Andriampenjato ka nangataka ho vady ny zanak’i Andriampenjato vavy. i Soa no anarany. Variana teny am-pitotoana vary hono ity andriambavikely ka tezitra ny lahy fa toa tsy miraika akory i Soa ka dia lasa izy ka navelany teo dia nandeha nifindra teny amin’ny Vohitra atsimotsimo kokoa izy ka nahita andriambavy hafa natao hoe Soa ka iny no nalainy ho vady. i Soa zanak’i Andriampenonjato kosa navelany satria niavona, ka niraikitra ho Soanavela no anaran’ny vohitra ; ary i Soa tery atsimotsimo lasa vadiny, ka natao Soalazaina ny anaran’ny vohitra.Ny filaza faharoa kosa dia nisy zavatra sarobidy hono tao Samboranto tao ka nentina nitsoaka, avy eo nafenina tamin’ireo mpanani-bohitra avy hanafika an’i Sambiranto. Nentina nitsoaka voalohany tao Tsilazaina ary noferana mafy ny olona tsy ilazalaza hoe noentina tao ary raikitra ho Tsilazaina ny anaran’ilay toerana. Rehefa elaela dia nalaina ilay zavatra sarobidy ka nentina nafenina teo Soanavela, teo amin’i Andriampenjato ary tsy nisy nahita ilay harena. Tonga teo Tsilazaina ireo mpanafika nitady ka nilaza ireo andriana sy vahoaka hoe « soa fa navela teto ity harena ity fa raha tsy izany tratran’olona teo Tsilazaina ». Dia raikitra Soanavela ny anaran’ny vohitra.Vohitra iray mierinerina eo Alasora i Soanavela. i Samboranto no ao atsinanany. Alasora no ao avarany. Merimanjaka no ao andrefany ary Soalazaina no ao atsimony. Vohitra iray ahitana aviavy, izay nambolen’ireo andriana razana ery andrefana. Ny namboleny ny aviaviny teny dia mba ho famaton’ny vohitra Soanavela ka hanakanana ireo fahavalo mety ho avy hanafika. Nambolena amontana kosa teo Avaratra eo amin’ny manasaraka ny Anganomasina sy Soanavela mba hanamarihana ny hasina sy maha mpihavana ireo vohitra roa ireo.Ankoatra izay dia ahitana fatsakan’andriana eo Soanavela. Eo avaratra atsinanan’ny vohitra no misy azy. Berimanana no anaran’ny toerana misy ny fatsakan’andriana.Ny mampiavaka ity loharano ity dia eo ambony vatolampy no mivoka ny rano ary tsy mety ritra. Misy trondro mena sy sahona lehibe ao amin’ity fantsakana ity, izay isan’ny miandry ny loharano. Eo anoloan’ity fatsakana ity moa dia misy vatolampy kely izay lazaina fa itoeram-bazimba. Voadidina hadivory roa sosona ny vohitra Soanavela. Vavahady roa ny miditra ao an-tanàna. Ambatomitsangana ny anaran’ny ao atsimo ary ny ao avaratra kosa ny fidirana. Eo ankavanan’ny vavahady avaratra dia misy ny fasan-kova miisa roa.Ny vohitr’i Soanavela dia mifampiditra sy mifanambady amin’ireo vohitra andriana manodidina azy toy ny Alasora, Ambohitromby, Ambohijanaka, Anganomasina sy ny maro hafa. Isan’ny manamarika ny vohitr’i Soanavela dia ivoahan’olona ambony teo amin’ny fanjakan’andriana izy.Maro ireo andrian’i Soanavela no lasa Komandy tamin’ny andron’i Ranavalona mandrapahatongan’ny fanjanahan-tany. Ao amin’io toerana io no ahitana ihany koa ireo taranaky ny telo miandalana teo Alasora ao amin’i Andrianadrodro sy Andriantsitohaina. Ahitana ihany koa taranak’i Tranomasin’Ambohimirimo. Ary ahitana ny fianakavian-dRadama ihany koa eny avy amin’ny anabaviny.Tsy ahitana fiangonana kosa ao Soanavela, na iray aza. Ny antony dia raha nisafidy ireo mponina manodidina ny hanangana fiangonana dia nifandroritana ny toerana. Tao no nangataka fa ao Soanavela no asiana azy fa izy no vohitry ny lahy. Anganomasina koa dia niziriziry ny ametrahana izany ao aminy. Tsy nety nilamina ny disadisa ka niakatra tany an-drova ny raharaha. Ranavalona fahatelo no nanapaka fa eo Anganomasina no hanaovana ny fiangonana satria eo no afovoany amin’ny toerana. Dia natsangana ny fiangonana ka nandray anjara teo avokoa na Soanavela na Anganomasina ary nitsangana ny Fiangonana Protestanta Anganomasina. Taty aorina dia nisy ireo andriana avy ao Soanavela niaraka tamin’ny olona sasany nanangana ny fiangonana Katolika Anganomasina. Ary farany ny fiangonana FMTA Anganomasina dia natsangan’ireo olona sasatsasany avy ao amin’ny fiangonana protestanta Anganomasina noho ny disadisa nisy tao.Vohitra iray be fady izy fahiny. Fady kisoa, osy ary alika ny taranaky ny antampotanàna. Ankehitriny dia somary navela toa ny anarany ny vohitr’i Soanavela. Variana amin’ny fitadiavana ireo taranaka ka somary nanadino ny vohitra. Rehefa hanitrika ireo havana no mazana sisa no tonga any izy ireo.
Nicole Rafalimananjara
