ActualitésTsidika

27 septambra : Andro maneran-tany ho an’ny fizahan-tany

Nankalazaina nanomboka ny taona 1980 ny andro maneran-tany ho an’ny fizahantany. Tamin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra nataon’ny Fikambanana maneran-tany mahakasika ny fizahan-tany na ny OMT no nisian’izany.

Tsy very anjara amin’izany fankalazana isika eto Madagasikara, izay nankalaza izany niaraka tamin’ireo mpisehatry ny fizahan-tany manerana ny Nosy. Anisan’ireo nitondra takaitra nandritra ny fandalovan’ny valan’aretina teo Madagasikara ny sehatry ny fizahan-tany, indrindra ny fizahan-tany avy any ivelany. Nisy noho izany ireo dinika nataon’ny teo anivon’ireo mpisehatra isan-tsokajiny hitadiavana ireo paik’ady sy vahaolana maharitra hanarenana indray ity sehatra ity.

Nisy ny fanaovam-baksiny ireo mpisehatra rehetra, fampiofanana mahakasika ny fampahatsihahivana ireo fepetra rehetra iadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Nandritra ity fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fizahan-tany ity no nanamafisan’ireo tompon’andraikitra ny tokony hirosoana amin’ny famahana ny sisitanin’i Madagasikara. « Mino izaha fa mihaino anay mpandraharaha madinika ny mpitondra, angatahanay ny hisokafan’ny sisitany. Ho avy izao ny lohataona izay vanim-potoana mahabetsaka ireo mpizaha-tany vahiny, tombotsoa ho an’ny rehetra ny fisian’ny mpizaha-tany vahiny » hoy i Joelle, mpisera dia ireo mpizaha-tany

« Mila paik’ady mahomby ny fisokafan’ny fizahantany. Tsy azo hodian-tsy hita fa efa misy karazany hafa indray izao ny Coronavirus amin’izao fotoana. Mila malina hatrany isika manoloana izany » hoy i Santatra, mpianatra mikasika ny fizahan-tany. « Nohamafisina nandritra ity fankalazana ity ny fangatahana ny hiverenan’ny fizahan-tany avy any ivelany. Ampy izay ny fotoana nanaovana ny fiofanana mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina fa efa fotoana izao hanarenana ny toekaren’i Madagasikara » hoy i Manantsoa, Tale jeneralin’ny hotely mpandray mpizaha tany ».

« Mifantoka be loatra amin’ny Coronavirus ny fanjakana ankehitriny, hany ka hadino fa misy aretina hafa izay mahery vaika noho izany eto Madagasikara. Vao tsy ela akory izay no nisy olona lavon’ny pesta, adino ihany koa fa mbola misy ireo havan-tsika izay iharan’ny tsy fank=jarian-tsakafo any atsimo » hoy i Norbert, mpandinika ny fiainam-pirenena. Anisan’ny mampiakatra ny toe-karena Malagasy ny fidiran’ireo mpizahatany vahiny eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-bola izay aterak’izany. Mamporisika ny tompon’andraikitra isam-paritra hanao ireo ezaka entina hampandrosoana ny faritra iadihadihany ihany koa ny fandraisana mpizaha-tany, toy izay natao tany Antsiranana farany teo : namboarina ny lalana mizotra any amin’ny toerana be mpitsidika indrindra.

Hitondra fampandrosoana ho an’ny andro ho avy tokoa ve ny sehatry fizahan-tany noho izy izay ambara fa sehetra miantoka ny fampihenana ny fahantrana misy eo amin’ny firenena iray ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire