Vovon-drano natolotra ny CEG Ihosy
23 Septambra, 10h10. Nahazo vovon-drano miisa 2 avy amin’ny « association soa iombonana » ao amin’ny finoana silamo ny CEG Ihosy. Nosafidin’ny « association soa iombonana » manokana ny ao amin’ny CEG noho ity sekoly ity manabe zana-bahoaka maro, ary mendrika hisitraka rano fisotro madio hanome aina ny ankizy.
