Rakibolana iray momba ny fifindra-monina mifandraika amin’ny asa misy amin’ny haino aman-jery
Tsy tokony hanana fahasarotana amin’ny fitadiavana ireo teny marina sy mahitsy intsony ireo mpanao gazety sy ireo matihanina amin’ny haino aman-jery amin’ny ankapobeny. Nanambara ny RJSET (Réseau des Journalistes Spécialisés en Emploi et Travail) nandritra ny fivoriana izay natao tany Farafangana ny herinandro lasa teo momba ny teny tokony ho ampiasaina amin’ny haino aman-jery. Navoaka noho izany ity rakibolana ity mba hampiasain’izy ireo teny marina sy mahitsy amin’ny haino aman-jery.
Ahoana no handikana izany hoe « égalité des chances » izany amin’ny fiteny malagasy ? Ireo teny fanandevozana maoderina ? Na koa ireo fanararaotana sy fandrahonana any am-piasana ? Mialohan’izany, inona no tena hevitra marin’ireo teny ireo rehefa migadona ny toeram-piasana na asaina mifindra monina isika mba hanatanteraka asa hafa ?
Tsy tokony hanana fahasarotana amin’ny fanehoana izany fomba fiteny izany intsony ireto mpiserasera ireto. Ny rakibolana misahana manokana ny fanazavana ireo voambolana rehetra ireo, ny fandraisana mpiasa ara-drariny ary ny asa an-tery dia efa nivoaka ny androtr’iny ihany. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ary napetraka tamin’ireo tompon’andraikitra momba ny fanoratana ny alatsinainy tolakandro teo izany. Izay hampiasa ireo voambolana ireo eo amin’ny sehatry ny asany andavanandro noho izany no hampahafantatra azy voalohany. Marihina fa voambolana maherin’ny 60 no mahakasika io fifindra-monina hiasa io ao anatin’ny rakibolana.
« Afaka hiteny mazava sy mahitsy ny herisetra sy ny asa an-tery atao aminay amin’izahay rehefa hanao fitarainana noho izao rakibolana efa nivoka izao » hoy i Celestine, mpiasa amin’ny orinasa lehibe. « Na misy ary ny voambolana mazava sy mahitsy mifandraika amin’izany, mila tonga dia mihetsika mandray an-tànana ny tranga misy ny fanjakana » hoy kosa i Tovo, mpiasan’ny orin’asa afak’haba. Niara-niasa tamin’ny RJSET sy ny fandraisan’anjaran’ny mpikambana ao amin’ny Birao Nasionaly misahana ny ady amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko (BNLTEH) ao amin’ny sampam-pianarana « Lettres et Sciences humaines de l’Université d’Antananarivo » ary ny Samis/Esic (Ecole supérieure de l’information et de la communication, ho famoahana sy fampahafantarana izao rakibolana izao. Rajemisa-Raolison Régis, mpanoratra rakibolana malagasy, dia manazava ny teny malagasy ary efa nohavaoziny izany tamin’ny 14 may 2021 lasa teo.
Mbola maro amintsika Malagasy no tsy mahafehy tsara ny voambolana tokony ampiasaina rehefa hilaza zavatra iray. Manoloana izany, ny rakibolana efa napetrak’ireo mpanoratra misahana izany no hanampy antsika tsirairay hiteny mazava sy mahitsy. Raha izay ary, mety hanomboka hizatra sy hifehy ny voambolana marina sy mahitsy tokony ampiasaintsika amin’izay ve isika eny amin’ny fiainana andavanandro ?
Miangaly Rasoamihajamanana
