Inona no niseho nandritra ny fahafatesan-dRadama ?
Ny 27 jolay 1828 no niamboho teo amin’ny faha-37 taonany ny Mpanjaka Radama. Tsy miombon-kevitra amin’io andro io anefa ny boky mirakitra ny tantara sasany ka ao ny milaza fa ny 24 jolay 1858 i Radama no niamboho ary ao kosa ny miteny fa ny 27 jolay 1828.
Voarakitra ao amin’ny boky « Voyage à Madagascar est aux îles Comores (1823 à 1830) » izay notantarain’i Leguével de Lacombe ireo toe-javatra nampangoraka tamin’ny fahalasan’ny Mpanjaka. « Ny 24 jolay 1828, tamin’ny roa ora tolakandro no niamboho teo amin’ny faha-37 taonany S. M. Radama-Manjaka, rehefa narary 8 volana. Nosembanan-drahona ny fiainan’ny vahoaka noho ny fahalasan’ity Mpanjaka ity, ary niteraka fahoriana lehibe ho azy ireo. Matroka ny tanànan’Antananarivo, nikatona avokoa ny trano rehetra, hita teny amin’ny endriky ny tsirairay avy ny alahelo ka ny tomany sy ny tolokon’ny mponina ihany no nanapaka ny fahanginana izay niantrana teny amin’ny toeram-pamoriam-bahoaka sy ny tsena » hoy ny voasoratra tao amin’izany boky izany.
Tsy maintsy nosolaina avokoa ny lohan’ny vatan-dehilahy sy ny zaza amam-behivavy rehefa maty i Radama satria izay mihitsy no fomban-drazana ho mariky ny fisaonana. Raha ny 24 jolay 1828 izy no maty dia ny marainan’ny 11 aogositra vao nambara ampahibemaso fa niamboho Radama. Napoaka tsy an-kijanona ny tafondro mandra-pilentiky ny masoandro nanomboka teo ary ny ampitson’io vao mangirandratsy izany hoe ny 12 aogositra, nifandimby nirefotra ny basy sy ny tafondro mandra-paharivan’ny andro. Ny aty sy ivelan’ny Rova dia norakofana lamba fotsy, ny lalana mitondra amin’ny vavahady andrefan’i Besakana, ambany ny tohatry ny Tranovola dia norakofana lamba mainty nanhdritra izany fotoana rehetra izany. Nasiana miaramila mianjaika nijoro tamin’ny sisin’io lalana io, ka ny basy sy ny lefon’izy ireo dia nifototra ny nitazomana azy, ny manamboninahitra kosa dia nitafy lamba mainty teny an-tsorony. Norakofana torak’izany ny amponga izay novelezina in-dray monja isaky ny minitra. Teo atsimo, akaikin’ny tohatohabato dia Nisy tarika telo mpitendry zava-maneno izay nanao feon-kira mampalahelo teo atsimo akaikin’ny tohatohabato.
Nobatain’ny manamboninahitra miisa 60 ny vata hazo, nisy an-dRadama-Manjaka, izay norakofana lamba velory mena izay noravahana sy nasina haingo miloko volamena amin’ny zorony efatra rehefa tonga ny tamin’ny iraika ambin’ny folo ora maraina, ka napetraka tao Besakana hatramin’ny ampitso. Nanokatra ny ferin’ny vahoaka ny fahitana ity vata ity, nitombo ny toloko sy ny ranomaso, toy ny niamboho fanindroany Radama.
Nicole Rafalimananjara
