ActualitésTsidika

Inona avy ny tombontsoa amin’ny fananana kara-tany ?

Vao tsy ela akory izay no nisy ny fizarana karatany faobe tany Antsirabe faharoa. Mbola maro anefa ny olona tsy mahalala akory izay ampiasaina io karatany io fa manara-drenirano fotsiny ihany.

« Tombony lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy ny fananana karatany satria hita ao avokoa ny mikasika ny tany sy ny sarintany tena izy izay mifanaraka ny fidinana ifotony ataon’ny ekipan’ny Ministera amin’ny fitsirihana ny tany » hoy Andrianainarivelo Hajo, Minisitry ny fanajariana ny tany. « Niainga tamin’ny fitsirahana ifotony fotsiny teo aloha ary izao sady lasa misy sarintany manamarina ny fananan-tany, fa tsy izay ihany satria taloha izao hazo no atao famatarana ny ivelaran’ny tany hany ka raha tapaka ilay hazo dia tsy voafaritra mazavba intsony ilay tany fa amin’izao efa sarintany no miasa » hoy ny Ben’ny tanàna iray.

« Tena ilaina tokoa ny fananana karatany satria sady ahy manokana iny ka tsy hisy hosoka, efa malaza ihany koa manko ny fangalarana tany sy ny hosoka ka aleo misoroka dieny izao » hoy i Lanto, mponina any Ambohimanandriana, isan’ny nanao ity karatany ity.

Tombony maro tokoa noho izany no hisitrahan’ireo olona manana ity karatany ity izay hahafahana mamaritra mazava sy ara-panjakana ny anjara tanintsika. Irariana ny mba hiparitahan’izany manerana ny faritra maro eto Madagasikara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire