Chine : Nahoana no mahasahy mividy lafo ny « mastiff du Tibet » ny mponina ?
Alika mpiasa ny « dogue du Tibet » na « mastiff du Tibet ». Tany aloha, ireo mpiandry ondry mpifindra-monina tao Himalaya no nampiasa azy. Midika hoe « chien de porte » na alika mpiandry varavarana ny anarany amin’ny teny tibétain, dia « do-khyi ». Mpiambina nentim-paharazana ny monasitera tibétain mantsy izy.Tsy voafaritra mazava ny fotoana nisiany saingy nahitana taolam-balony tao Chine ny 1100 taona talohan’ny vanompotoana kristianina. Hifandrombahan’ireo mpanankarena ao Chine kosa izy. Efa mahatratra 1,4 tapitrisa euro ny vidiny ao an-toerana. Antony, ny efa nanovan’ny ao an-toerana ny karazan’alika mba hanome azy ka efa tsy “mastiff du Tibet” intsony izy fa « mastiff de Chine » ao an-toerana. Efa nataon’izy ireo izay hampanakaiky indrindra ny endriky amin’ny liona. Ankoatra izay dia entina hanehoana ny fananana harena ihany kosa ity alika ity.
