Nahavita fianarana tany ivelany saingy nikatona ny orinasa
Nahavita fianarana tany ivelany fa tsy afaka ny hiasa ao amin’ny orinasa niantoka azy ireto tanora ireto satria mbola tsy misokatra hatramin’izao ny orin’asa base toliara taorian’ny olana maro tany antoerana ireny ka nakaton’ny fanjakana Malagasy ny fitrandrahana. Noho ny tonga teto an-toerana anefa izy ireo rehefa avy nahavita ny fianarany nadritra ny roa taona tany Kenya dia diso fanatenana tanteraka satria nikatona ilay orin’asa nandefa azy ireo hiofana ka lasa tsy an’asa izy ireo.
Ny orin’asa Base Toliara dia orin’asa iray misehatra eo amin’ny fitrandrahana fasi-mainty ao amin’ny faritra atsimon’ny nosy dia Toliara izany, akoantra an’i Madagasikara dia ao Kenya ihany koa no misy io orin’asa mitrandraka fasi-mainty io raha to aka Australianina ny tompony.
« Inona fotsiny no ataonay raha ny zavatra niofananay aza nikatona, hiverina hitarika posy sa hangalatra izahay, fampivoarana no ateraky ny base Toliara fa tsy fahasimbana mihintsy, vavolombelona izany izahay nahavita fiofanana avy tany Kenya, any tsy misy mitaky fikatonana toy ny aty ny orin’asa fa somary gaga ihany izahay hoe nikatona ny orin’asa taty madagasikara, ka hiverina hitarika posy ary ve izahay sa hangalatra rahefa tsy misy asa ? » hoy ny solon-tenan’ireo nahavita fiofanana.
« Fanafoanana mihintsy no angatahanay fa tsy fampihatoana ny orin’asa Base Toliara, miandry ny Annulation de permis an’io orin’asa io zahay fa aminay ny hoe mihato dia midika fa mbola hiverina, mamono anay ka hanagatahanay ny hanafoanana azy tanteraka » hoy i Mahazo, mponina ao Benetsy.
« Eo andalam-pandinihana ny amin’ny hanakofana na tsia ny orin’asa base Toliara izahay ankehitriny, ekena hoe diso fanantenana ireo tanora nahavita fiofanana fa tsy azo tapenam-bava koa anefa ireo vahoaka madinika mitaraina ny amin’io orin’asa, ilaina fandinihana lalina fa tsy azo atao taitaitra ny fanapahan-kevitra ho raisina » hoy ny tompon’andraikim-panjakàna ao an-toerana.
Sarotra ho an’ny fanjakàna Malagasy tokoa ny fandidiana raha io zava-mitranga ao aToliara io, anisan’ny vahaolana azo aroso koa anefa ny fanomezan’asa ho an’ny tanora ireo mba tsy hahatonga zy ireo hivary lavo.
Lovasoa Tojonirina
