Etats-Unis : Amam-bolana ny zaza dia afaka milomano
Mahay mitana ny fofon’ainy ny zazakely rehefa ao anaty rano, voanajanahary ho azy ny fanaovana izany raha ny fanazavana. Efa tamin’ny taona 1939 no nisy ny andrana voalohany tamin’ny fampianarana milomano ny zaza amam-bolana. Ny « psychologue » sady mpampianatra ao amin’ny Briarcliff College, Myrtle Byram McGraw no nanatanteraka izany voalohany. Zaza 42 teo anelanelan’ny 11 andro sy ny roa taona sy tapany no nanatanterahany io andrana io.Efa misy ny vondrona ho an’io zaza ireo any ivelany antsoina hoe “bébé nageur”, izay hiarahan’ny zaza amin’ny ray aman-dreniny. Manahy mivohy avy hatrany ny zaza vaoalatsaka ao anty rano raha ny fanazavana ary mahay manokatra ny masony hoazy ihany koa.
