Fandaminana ny fifamoivoizana ataon’ny polisy monisipaly eto Antananarivo
Nandritra ny valan-dreaka natao tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy lasa teo no nanambaran’ny teo amin’ny polisy misahana ny fandaminana ny fifamoivoizana eto Analamanga fa hisy ny fandehanana ifotony ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto an-toerana. Manomboka anio, alarobia 15 septambra 2021 ka haharitra mandritra ny 15 andro izany, izay hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy monisiopaly, polisy kominaly sy ireo sampana rehetra mandidina izany.
Izany no natao ho fanamaivanana ny fitohanan’ny fiara izay misy indrindra amin’izao fotoana fidiran’ny mpianatra izao. Tsy misy fitsaharany intsony ny fitohanan’ny fiara amin’izao fotoana, efa zary lasa tafiditra anaty andavan’androm-piainan’ireo mponina eto ampovoan-tany mihitsy izany ankehitriny. Anisan’ny nampisy ahihahy manoloana izany ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana, saingy raha zohina ny zava-mitranga ankehitriny dia tsy izany irery ihany fa eo ihany ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpitatitra.
Efa nisy ny fanadiovana nataon’ny teo amin’ny fitantanana tanàna amin’ny hanalana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna. Misy ireo fiara izay manao ny fijanonana an-tanety na ny hoe « parking sauvage », andanin’izany ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ataon’ireo mpamily. Tsy lazaina intsony ireo fiara minia mizotra amin’ny lalana tokan-jozatra na ny lalana tsy azo idirana. « Ilaina tokoa ny fitsirihana ataon’ireo mana-pahefana hanamafisana sy hampianarana indray ireo olona rehetra mpampiasa lalana, tsy hanamaivanana ny fitohanan’ny fiara fotsiny ihany, fa hampihenana ny lozam-pifamoivoizana » hoy i Vonjy, mpitondra fiara. « Ny zavatra tsikaritray mpamily fiarankaretsaka dia rehefa misy polisy mandamina ny fifamovoizana no tena mitohana ny lalana, mahay mifandefitra izay samy mpamily. Tokony atao laharam-pahamehana ny fanamboarana ireo lalana izay efa ratsy eto Antananarivo hamehezana ny fitohanan’ny fiara » hoy i Rija, mpamily fiarankaretsaka.
« Fampianarana no atao ho an’ireo mpampiasa lalana rehetra mandritra ny fandehanana ifotony ataon’ny polisy monisipaly. Hohampatsihahivina amin’izy ireo ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto an-toerana » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny polisy monisipaly. « Ny lalana eto Antananarivo mihitsy no tsy ampy ifamezivezen’ny fiara. Mila jerena manokana ihany koa noho izany ireo lala-maty rehetra, tokony himasoana ihany koa ny fanatsarana sy ny fanitarana ny lalana » Hoy i Manjaka, mpianatra « Géographie » ao Ankatso.
Fantatra fa misy ny fanadinana atao eo amin’ny fikambanan’ny fitaterana an-tanety na ny ATT mialohan’ny hahazohana halalana mamily fiara, noho izany tsy tokony hisy intsony ny hoe mpamily tsy mahafantatra ny lalàna mifehy izany. Misy ny sazy henjana ho an’ireo izay minia mandika ny lalàna, mety hiafara amin’ny fampidirana am-ponja sy fandoavana lamabdy mihitsy aza izany. Natao hamehy sy hampirindra ny fiaraha-monina ny lalàna napetraky ny fitondram-panjakana ary tokony ampiharina izany eo amin’ny sehatra rehetra.
Finiavana avy amin’ireo mpampiasa lalana rehetra, toy ny mpandeha an-tongotra, mpamily fiara, mpitondra ireny fitaterana kodiaran-droa ireny…no hahafahana manamaivana ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra. Iandry fanasaziana sy fanaraha-maso lanlandava ve isika vao ho tonga saina amin’ny fihetsika tokony tsy tokony atao ?
Haingo Andriamihaja
