SocialTatitra

Suède : Iza no olona be mpanaraka indrindra ao amin’ny Youtube ?

I PewDiePie no be mpanaraka indrindra ao amin’ny tamba-jotra sosialy Youtube. Felix Arvid Ulf Kjellberg no tena anarany, teraka ny 24 oktobra 1989. Ireny horonantsary mampihome ireny no tena mampalaza azy, izy rahateo mpampihome suédois. Maherin’ny 4 000 ny horonantsary efa navoakany, izay mahazo mpijery 26 miliara eo foana.110 tapitrisa kosa ny mpanaraka azy raha ny isa farany nivoaka ny volana mey 2021 teo. Nahazoany 7,4 tapitrisa euros kosa ny PewDiePie Productions ny taona 2014 ary 15 tapitrisa n taona 2016 raha 4 tapitrisa izany ny taona 2013. Anisan’ireo mpanao horonantsary ao amin’ny Youtube tsara karama indrindra izy raha ny fantatra.

Laisser un commentaire