Indonésie : Nahoana no fongarin’ny foko Torajas isan-taona ny razana ?
Fongarina ny razana, diovina, soloina akanjo ary averina alevina indray. Izany no fomba fanaon’ireo foko Torajas ao amin’ny nosy indonésienne an’i Sulawesi isaky ny telo taona, isaky ny volana aogositra. Antsoina hoe “Ma’nene” ity fomba ity, entina hanehoina amin’ireo olona efa maty ireo fa tiana sy tsy hadinoaina izy raha ny fanazavana ary entina hangataham-pitahiana amin’ny famokaram-bary isan-taona.Silamo ny 85% ny Indonésien raha protestanta sy katolika ny 80% ny foko Torajas. Mbola manaja tanteraka ny “Aluk To Dolo” na ny fomban-drazana nefa izy ireo na eo aza ny fanoheran’ny finoana izany. Miverina miaina toy ny fahavelony miaraka amin’ireo razana indray ny olona ao anatin’ny iray andro. Hapaty andro fotoana vitsivitsy ny razana mba hampateza ny akanjo vaovaony hatramin’ny 3 taona manaraka indray.
