SocialTsidika

Novonoiny ny vadiny ary namono tena izy avy eo

Maty novonim-badiny tao an-tokantranony i Razafisoa, monina ao Sarodrano, Kaominina Ankiririka, Distrika Mampikony ary namono tena avy eo ilay rangahy. Resaka hasarotam-piaro diso tafahoatra no nahatonga izao famonoana mahatsiravina izao.

« Mpivarotra mitety tsena sy vohitra ilay ramatoa ary avy amin’izay no niavian’ny fahasarotam-piaro » hoy i Helène, mpiray tanàna tamin’izy ireo. « Novonoiny tao i ramatoa vadiny ka rehefa hitany fa ho faty dia niantso vonjy ilay rangahy nahavanon-doza ary nisotro ranom-panafody mahafaty izy avy eo » hoy ny Ben’ny tanàna tany Ankiririka. « Tsy maty teo no eo akory ilay rangahy fa mbola nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana tany Mampikony kanefa ny apitson’io dia maty namoy ny ainy raha tsy nisy azo natao intsony ny tamin’ilay ramatoa fa maty talohan’ny nahatongavan’ny fokonolona tao an-tranony » hoy ny mpitandro filaminana tany an-toerana.

Ny fahatahoran’ilay rangahy ny mety hahazo azy no namonoany tena, toy izany no mahazo ny olona tsy mieritreritra sy mandinika aloha vao manao zavatra. Efa nentina tany Tsimiljaly, Kaominina Ambohitoaka any Mampikony ny razan’izy mivady hamonjy ny tanindrazany.

Ny zava-drehetra mihitsy no mila lanjalanjaina satria mety hanimba ny fiainana avyeo raha tsy misy fieritreretana kely. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire