Corée du Nord : Fa iza tokoa moa i Kim Jong-Un ?
Teraka ny 8 Janoary 1984 tao Pyongyang, filoham-pirenen’i Corée du Nord ny tenany ary malaza amin’ny fitondrana didijadona. Efa mpitondra ny dadabeny antsoina Kim Il-Sung ny taona 1948, nanangana ny fitondrana sy mpitondra voalohany tao Corée du Nord. Tao aorian’ny nahafatesan’io raibeny io dia nandimby azy i Kim Jong-Il, rain’i Kim Jong-Un izay nitondra nanomboka ny taona 1994. Mpitondra fahatelo tao amin’io fianakaviana io izany i Kim Jong-un, nanomboka 17 desambra 2011 ny fitondrany.Maherin’ny 300 kosa ny olona no efa nohelohiny ho faty tao anatin’ny 5 taona nanomboka ny 30 desambra 2011 hoy ny Think tank sud-coréen INSS (Institue for National Security Strategy). Raha ny fanazavana dia mpitanatana nanana toerana ambony ny 140 tamin’ireo olona ireo ary olon-tsotra kosa ny ambony. Tsiahivina fa nohelohina ho faty tamin’ny taona 2015 ny minisitry ny fiarovam-pirenena Hyon Yong-chol ary novonoiny vao haingana ihany koa ny minisitry ny fampianarana noho ny tsy fahombiazana.
