SocialTsidika

Trano 24 tsy maintsy narodana tany Atsimo Atsinanana

Tsy maintsy narodana ny trano 24 tafo izay niorina tsy ara_dalàna tao anatin’ny ala tantanan’ny Vondron’Olona Ifotony na ny VOI tao Agnalaza Atsimo Atsinanana. Loza mitatao hoa n’ny tontolo iainana rahateo ny fisian’izy ireo ary mety hanimba zavatra maro.

« Mitrandraka  » Langoustes » sy « Corail noir  » ao ireto mponina ireto ary misy aza manimba ny ala ato amin’ny faritra arovana mihitsy » hoy ny avy ao amin’ny VOI. « Nitolo-batana ny sasany ary tratra ny sasany ka nosaziana 10 000 ary isaky ny iray metatra amin’ireo trano 24 tafo ireo ary ara-dalàna tsara izany sazy izany » hoy ny Ministra lefitry ny fandrakofana ala eo anivon’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Antsoinesie Hortencia. « Tena hita fa saro-piaro tanteraka amin’ny tontolo iainana ny tompon’andraikitra, tsy misy fitsitsiana mihitsy rehefa tratra amin’ny tsy fanarahan-dalàna satria tombotsoan’ny vahoaka io, rehefa voaaro ny tontolo iainana dia mahazo miasa sy miaina ara-dalàna isika vahoaka » hoy i Dolly, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo mikasika ny tontolo iainana.

Mbola be ny mialokaloka any ambany ravin-kazo any ho any. Tokony ho saro-piaro amin’ny tontolo iainana isika rehetra fa tsy ny Ministera irery akory satria iaraha-misitraka ny tombontsoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire