SportTatitra

Finlande : Hiala amin’ny Formule 1 i Kimi Räikkönen aorian’ity taom-pilalaovana ity

Efa tompondaka maneran-tany tamin’ny Formule 1 tamin’ny 2007 ity Finlandais Kimi Räikkönen ity. Hitsahatra amin’io sehatra io izy amin’ny fiafaran’ity taom-pilalaovana ity hoy izy ny alarobia teo tao amin’ny tamba-jotra-tserasera Instagram. Efa tamin’ny fiandohan’ity taom-pilalaovana ity teo izy no nandray io fanampahan-kevitra io raha ny fanazavany.

Ny taona 2001 izy no nanomboka nilalao, ary nampiseho avy hatrany ny fahafehezany ny taranja. Sauber, McLaren, Ferrari, Lotus ary Alfa Romeo no ekipa efa nandalovany.

« Iceman » no fiantson’ireo mpanaraka azy an’i Kimi Räikkönen noho izy mahay mitazona ny fitoniany sy ny tsy fitiavany miresadresaka amin’ny mpanao gazety. Hananika ny faha 42 taonany izy amin’ny 17 oktobra izao. Zokiny indrindra eo amin’ny mpilalao F1 izy ao alohan’i Fernando Alonso, 40 taona, indroa tompon-daka eran-tany.

Laisser un commentaire