SocialTatitra

France : 2 000 euro farafahakeliny no karaman’ireo mpampianatra amin’ny 2024

Anisan’ireo ambany indrindra amin’ny karaman’ny mpampianatra ao Europe ny karaman’ireo mpampianatra ao France. Efa manomboka ny fanavaozana io tetibola io, indrindra ho an’ireo mpampianatra mbola tanora hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena Jean-Michel Blanquer ka nampanatena izy fa hahatratra 2000 euro isam-bolana izany. Mbola amin’ny taona 2024 kosa nefa vao ho tratra io isa io raha ny fanazavany. Efa handray 1869 euro isam-bola ireo mpampianatra vaovao amin’ny febroary 2022 hoy izy.

Laisser un commentaire