PolitiqueTsidika

Mbola manana roa taoan mahery hamitana ireo vina napetraka

Roa taona mahery izay no nitondran’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, ny firenena iray manontolo. Mbola misy roa taona mahery ihany koa sisa no hanatanterahany ireo fampanantenana nambarany tamin’ny fampielezan-kevitra. Firy tamin’ireny izao no vita ? Mbola misy fanantenana ve ny hahavitany ny ambiny ? Aiza ho aiza isika izao ? « Izay lazaiko dia tanterahako Tompokolahy sy Tompokovavy » hoy izy tamin’izany.

Ankehitriny, mitondika aty ny mason’izao tontolo izao, mitodika aty noho ny hanoanana mampihinakinam-poana ny olona any atsimo, mitodika aty noho ilay filoham-pirenena mamim-bahoaka nisy saika hamono, mitodika aty noho ireo fotodrafitrasa manara-penitra isan-tsokajiny. Ny Frantsa no tena mitodika aty amin’izao fotoana noho ny hatezerana nanoloana ny fanasotasotana ireo frantsay tao anatin’ny raharaha appolo 21. Manao ahoana izao ny trano mora ? Mba mahavaha olana ihany ve izy ao ? Ary aiza ilay parking ho an’ny EPP ? Rahoviana vao ho atao ? Ary ilay vatsim-pianarana tsy lanilaniana ho an’ny mpianatra Ankatso ? Mbola betsaka ireo tsy voatanisa ary antenaina fa ho vitany avokoa izay lazainy fa tsy kobaka am-bava fotsiny ihany. Raha manana eritreritra ny hilatsaka indray amin’ny fifidianana ho avy dia miainga amin’ny efa vita no hitsaran’ny olona azy. Afa-po tamin’izay vita ve aloha isika vahoaka ? Azo lazaina ho nampihena ny fahantrana ihany ve izay efa vita ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire