SocialTatitra

tats-unis : Namidy 6 tapitrisa dollars ny basy namonoana an’i Billy the Kid

Namidy 6,03 tapitrisa de dollars tamin’ny lavanty tao Los Angeles ny basy namonoana an’i Billy the Kid tamin’ny fotoanan’ny Far West américain. Vidiny ambony indrindra teo amin’ny famarotana basy izany.

Notombanana 2 hatramin’ny 3 tapitrisa dollars ity basy Colt calibre.44 an’ny shérif Pat Garrett ity. Izy no nisambotra ity jiolahy ity ary namono azy teo amin’ny faha 21 taonany ny 14 jolay 1881 tao Nouveau-Mexique hoy ny tranom-barotra Bonhams. Fitaovana sisa tavela tamin’ny tantaran’ny Far West ity basy ity raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire