SocialTsidika

Ambohitrarahaba : Misy setroka manepotra matetika

Tsy manaiky ny fandoroana mamoaka setroka maloto sy manepotra ao ambadiky ny Cyberlux Ambohitrahaba ny mponina eny amin’ny manodidina. Tena misy fiantraikany ratsy ho an’ireo manana aretina mitaiza ary mahatonga fofontsetroka ny lamba mihahy sy hatrany anatin’ny trano rehetra any na dia mihidy aza ny varavarankely ny fisian’izany setroka izany.

« Tena matetika mihitsy ny fandorana zavatra eto ary efa nifampiresaka izahay rehetra eto amin’ny manodidina fa tsy manaiky sy tsy mazaka ilay izy avokoa kanefa tsy misy sahy miteny satria na ny horesahana aza tsy hay » hoy i Perline, mponina eny amin’ny manodidina. « Tadiavo ilay mpandoro dia miresaka ianareo, eo ihany koa ny tokony hanatonana ny fokontany sy ny kaominina amin’ny fametrahana ny fitarainana izay hoe mametraka taratasy dia manangona Sonia maro » hoy i Frédéric, mpahay lalàna.

« Tsy misy hafa-tsy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta no vahaolana, kanefa tokony hisy ihany ny fahatsapan-tena amin’ny tokony hifampitsinjovana eo amin’ny manodidina manoloana ny tsy tokony handorana zavatra manodidina ny trano fonenan’ny olona » hoy ny solontenam-panjakana any an-toerana.

Iza no tena tokony handray andraikitra manoloana izao ? Fahasalaman’olona maro no lasibatra amin’izao, ny setroky ny fiara sy ny ozinina isan-karazany aza efa tsy hita izay anaovana azy. Tokony hisy ny fepetra haingana raisin’ny fanjakana ary tsy tokony andrasana ela.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire