Ankadikely Ilafy : Vita ny « tournoi de vacances »
Vita soa aman-tsara teto amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana Ankadikely ny « Tournoi de Vacances » izay nokarakarain’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy ny 28 sy 29 aogositra lasa teo izay namaranana ny fifaninana nandritry ny fialan-tsasatra natao ho an’ireo ankizy hatramin’ny 16 taona.
Teo amin’ny taranja « Basket-Ball » dia nobatain’ny CBA Ankadikely ny amboara ho an’ny sokajy lehilahy ary ny BCA Andrononobe kosa ny teo amin’ny sokajy vehivavy. Ny Jhaboady Ambohitrarahaba, sokajy « U15 » ary FCI Ilafy, sokajy « U17 » kosa no nibata ny fandresena teo amin’ny taranja Baolina Kitra tamin’izao famaranana izao.
« Miara-mientana isika ho an’ny fahombiazana izay hanomezana sehatra ireo ankizy hatramin’ny faha 16 taona ary hitohy isan-taona ny fifaninana tahaka izao » hoy ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Vita ny taom-pianarana teo aloha ka mila miala sasatra ny ankizy, misaotra ny kaominina nahita nahitra hampialana voly azy ireo » hoy i Maurice, raim-pianakaviana any an-toerana. «Tao anaty firalahiana tanteraka ny lalao satria iizay nandresy tsy nobiana ary izay resy tsy nankoraina fa samy zanak’Ankadikely ihany ireo » hoy ny mpanazatra ny ekipa Jahboady mena Ambohitrarahaba. Marihina fa teo ambany fiahian’ny Ben’ny tanàna ity lalao izay nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany ity ho fanohanana ny tanora ity.
Nicole Rafalimananjara
