Afghanistan : Nisy fanafihana indray tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Kaboul
Nisy fitifirana « roquette » indray tao omaly tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Kaboul, andro alohan’ny fialan’ny Américain tanteraka ao Afghanistan. Raha ny tatitra nataon’ny mpanao gazety dia “tirs roquette” maromaro no nosakanan’ireo tafika « antimissile » américain tamin’io fotoana io.
Nivory ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitry fiarovana ao amin’ny ONU ny alatsinainy teo manoloana ny toe-draharaha ao Afghanistan. Nandroso hevitra i France sy i Royaume-Uni fa tokony hametrahana faritra arovana na « zone protégée » ao Kaboul. Tolo-kevitra izay efa nolavin’ny Taliban sahady.
