Maurice : Lehilahy iray tsy mety tafody ao Maurice
Lelilahy 60 taona i Eric Mukool, taraiky eto Madagascar efa ho roa taona izy ary niezaka ny hody ao amin’ny tany naterahany. Tsy manam-bola intsony izy raha ny fanazavany, hiasa no nahatongavany teto saingy foana indray ilay izy. Efa niezaka nody tamin’ny sidina tamin’ny 16 jona 2020 ihany koa izy saingy tsy nahatratra izany.
« Nangataka fanampiana tamin’ny depiote Fabrice David, Patrice Armance ary Dorine Chuckory aho » hoy izy saingy tsy nisy valiny. Mba ahafahany mody dia nanao fanangonam-bola amin’ireo mpiray tanindrazana aminy izy. Mandra-paha dia Malagasy no mampian-trano sy manome sakafo azy raha ny fanazavany.
