ActualitésTsidika

Notokanana ny EPP Soavinarivo, Ambatolampy Tsimahafotsy

Vita tsara ilay EPP Soavinarivo namboarin’ny fanjakana tany Ambatolampy Tsimahafotsy ary feno hatramin’ny fitaovana ao anatiny aza. Tahaka ny fotodrafitrsa rehetra natao tamin’izao fitondrana izao anefa dia nasiana loko volomboasary ilay izy, ny rindrina hatramin’ny seza aza.

«Efa nomena trano manara-penitra ny mpianatra ary mbola notolorana fitaovam-pianarana ihany koa hanala ny fahasahiranan’ny ray amand-dreny» hoy ny solontenam-panjakana tany an-toerana. « Tena zava-dehibe tokoa ny fampiroboroboana ny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana fa tsy ampy anefa izany raha tsy izahay mpampianatra no mila ampiana voalohany ka tokony ho raisina ho mpiasam-panjakana avokoa izahay mba hahatontosana ny fampianarana amin’ny an-tsakany sy an-davany fa tsy vacataire foana tahaka izao » hoy ireo mpampianatra. «Iaraha-mahita tokoa ny fahasahiranana koa isaorana ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena manoloana izao fanampiana anay ray aman-dreny izao» hoy i Hary, renim-pianakaviana mampiana-janaka ao amin’ilay EPP. Isan’ny olana nosedrain’ireo mponina tokoa ny tsy fahampian’ny EPP sy ny fotodrafitrasa maro mikasika ny fampianarana.

Irariana mba hahay hikolo izany ireo mpikirakira ny fitaovana sy ny mpampiasa ny trano satria fananana iombonana ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire