Fetiben’ny Horonantsary ho an’ny vehivavy iraisam-pirenena : Voafantina ny « ConfidentiElles » nosoratan’ i Rotsy Koloina
Voafantina tamin’ny Fetiben’ny horonantsary ho an’ny vehivavy iraisam-pirenena (FIFF) ao Cotonou manomboka amin’ny efatra ambin’ny folo ka hatramin’ny valo ambin’ny folo septambra ny horonantsary fohy novokarin’i Rotsy Koloina.
Rehefa nahazo ny "Zébu d´Or Pan-African Documentary" tamin’ny Festival de Cannes nandritra ny andiany faha dimy ambin’ny folon’ny Fihaonan’ny sarimihetsika fohy (RFC) ny horonantsary fanadihadiana fohin’ i Rotsy Koloina Andriamanantsoa, voafantina indray ho amin’ny Fetiben’ny horonantsary ho an’ny vehivavy iraisam-pirenena ao Cotonou. Rotsy Koloina Andriamanantsoa izay mpilalao sarimihetsika Malagasy fanta-daza tamin’ny filalaovana ny horonantsary mihetsika "Lova" tao amin’ny Novegasy. "ConfidentiElles", horonantsary fanadihadiana efatra amby roapolo minitra nataon’i Rotsy Koloina Andriamanantsoa dia manome feo vehivavy enina amin’ny endrika tolona fa tsy fitarainana, izay manome lanja ny vehivavy Malagasy kosa indray no ahitana azy izao.
"Nahazo horonantsary miisa 113 izahay. Taorian’ny fisafidianana tamim-pitandremana dia nanamarina horonantsary miisa 13 ho an’ny andiany manaraka an’ny Fiff Cotonou ny mpitsara voafantina" hoy ny nambaran’ny mpikarakara ny talata teo tao amin’ny tambazotran-tserasera. "Vehivavy avy any Afrika no nanao ireo sarimihetsika ire" hoy hatrany ny tompon’andraikitra. "Mahazo vahana ny horonantsary ConfidentiElles, amin’ity indray mandeha ity ao amin’ny Fiff Cotonou any Benin. Misaotra anao tamin’ity fifantenana ity. Aleo manohy mampiroborobo ny sarimihetsika afrikanina" hoy kosa i Rotsy Kolona.
Mbola hita taratra eto Madagasikara ankehitriny fa ny vehivavy Malagasy voasokajy ho « fanaka malemy » izay haingo tokantrano na « akoho vavy maneno » arakarakin’ny zava-misy. Maro tokoa ny tsy mahazo tsar any tena hevitra fonosin’ireo teny ireo ka mandray ny vehivavy ho toy ny tsy misy dikany na tsy misy « Valera ». Antony iray nijoroan’i Rotsy Koloina io tsindry hazo lena mahazo ny vehivavy io ka rariny raha anisan’ireo voafantina ho fanehoana ny horonantsary ho an’ny vehivavy.
Tsangy Randriamampianina
