Faritra Boeny : Fanenana ny fampiasana arina fandrehitra
« Hanavotra ny tontolo iainana isika araka ny velirano faha-10. Nefa miezaka ihany koa tsy hamono ny velon-tenan’ny hafa » hoy ny Governoran’ny faritra Boeny nanditra ny fivoiana niarahana tamin’ireo mpikaroka momban’ny angovo tao amin’ny lapan’ny Faritra ny alakamisy 26 aogositra 2021.
Fivoriana nandinihina sy noresahana mahakasika ny angovo afaka hanoloana arina vita amin’ny hazo no natao tamin’izany. Raha ny tarehimarika dia 30 000 taonina isan-taona eo ny arina ampiasaina ao Mahajanga ka nanao laharam-pahamehana ny fanenana ny fampiasana arina vita amin’ny hazo ny Governora. Tanjona amin’ny fivoriana ny hahafantarana ireo voka-pikarohana misy amin’izao, ny tombon-tsoa azo avy amin’ny fampiasana izany ary ny tohana andrasan’ireo mpikaroka amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny vokatra natolotr’ireo mpikaroka izay azo hanoloana ny arina ny Charbio, Arina Jiasy, Biochar…
Misy ihany koa ny Bio-digesteur portable sy ny Bio-gaz izay vokatry ny fikarohana nataon’ireo tanora ao Mahajanga. Mbola eo andalam-pandinihina ny fomba hatao mba ho azon’ny rehetra ampiasaina izany ireo mpikaroka.
Nampiseho ny vokany ihany koa ireo mpanamboatra fatana mitsitsy sy ny jiro tsy met yvaky. Raha ny nambaran’ny governorat, hisy lamin’asa hapetraka tsy ho ela hahafahana manampy ireo mpikaroka ireo.
Sitraka Rajaonarivony
