SocialTatitra

Etats-Unis : Ankohonana iray hita faty tao anaty ala tao Californie

Mpivady nitsangatsangana niaraka tamin’ny zazany sy ny biby fiompiny no hita faty tao avaratr’i Californie ny herinandro lasa teo. Mistery tanteraka ny nahafaty ity ankohonana ity raha ny fanazavana. John Gerrish, raim-pianakaviana, 45 taona, Ellen Chung vadiny, 31 taona, Miju zanany, 18 volana monja ary ny alike no niara hita faty.

Ny mpitaiza ny zazakely no nampandre ny mpitandro ny filaminana rehefa tsy nahita olona tao an-tranon’izy ireo ny 16 aogositra. Ny ampitso ihany dia hitan’ireo mpikaroka ny fiaran’ity ankohonana ity teo amin’ny làlana makao amin’ny alan’ny Sierra ao Californie. Tsy lavitra teo, tao amina faritra antsoina hoe Devil’s Gulch na hantsan’ny devoly kosa hita ny razana. Tsy nisy ratra, tsy nahitana poizina, tsy nahitana na inona na inona izy 4 ireto hoy ny shérif ny faritra Mariposa. Ny fizahana natao tamin’izy ireo ihany kosa dia tsy namaritra na inona na inona hoy izy.

Laisser un commentaire