Tsidika

Ady amin’ny tazomoka : Nanomboka ny fizarana lay miisa 13,7 tapitrisa

Olona mahery ny 22 tapitrisa no kendrena amin’it ytaona 2021 ity ao anatin’ilay hetsika fizarana lay maharitra nanomboka ny talata 24 Aogositra 2021 tao Vangaindrano. Lay misy fanafody bibikely miisa 13,7 tapitrisa no hatolotra an’ny mponina eto Madagascar hoan’ny distrika ara-pahasalamana miisa 101 ao anatin’ilay ady atao amin’ny tazomoka.

Ny fampiasana ireo lay ireo dia hiaro olona hatramin’ny 22 tapitrisa. Tsiahivina fa ny tazomoka, dia aretina iray isany mbola mphazo ny olona maro eto Madagascar am-polony taona maro izay. Tamin’ny taona 2020, nahatratra 2 tapitrisa ireo olona tratran’ny aretina tazomoka. Maro tamin’izy ireo izay zaza ny ankamaroanny no maty vokatr’izany aretina izany. Ny fampiasana ny lay misy fanafody bibikely dia miaro ary indrindra ny mampihena be ny mety hahavoan’ny aretina amin’ny alàlan’ny kaikitry ny moka. Paikady mahomby napetraka eto Madagascar ny fizarana lay tahaka izao.

Amin’ireo lay miisa 13,7 tapitrisa hozaraina ireo, maherin’ny 10 tapitrisa dia avy amin’ny Global Fund na ny Fonds Mondial miady amin’ny sida, ny tuberculose ary ny tazomoka, rah any 3,6 tapitrisa kosa no avy amin’ny Usaid(Agence des Etats Unis pour le développement International). Raha ampahatsiahivina hatramin’ny taona 2008 dia efa nanome fanampiana ara-teknika sy ara-bola hoan’ny PNLP na programme national de lute contre le paludisme ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny firenena Amerikana tamin’alalan’ny Usaid. 26 tapitrisa isan-taona ny vola atokan’ny Usaid hoan’ny fisorohana sy fitsaboana ny tazomoka eto Madagascar.

Izany famatsiam-bola izany dia ahafahana manome fitaovana sy fanafody hitiliana sy hitsaboana ny tranga tazomoka. Ary hahafahana ihany koa ihany koa, ny fanamafisana ny fanaraha-maso ireo ranga sy fanatsarana ny fahombiazan’ny laboratoara isam-paritra sy distrika. Marihina fa ny hetsika fizarana lay nanomboka ny talata 24 Aogositra 2021 dia eo ambany fitantanan’i PNLP ary tohanan’ny Fonds Mondial, ny Usaid, OMS ary ny UNICEF.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire